<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Fitiavana tokoa FFPM27</title>
<lyrics>[V1]
 Fitiavana tokoa re,
 ny Ray an-danitra
 Fa manolo-java-tsoa
 Tena mahasambatra
 Ho antsika izay mpanota,
 Ory, osa, rera-po,
 Izy masina sy to
 Ta-hanaisotra ny ota
 Noho ny fanavotana
 Vitan'i Jesosy e !

[V2]
 Tsy ho very, ry mahantra
 Sy miferin'aina izao,
 Fa ny Ray Izay feno antra,
 Aoka mba hinoanao.
 Sambatra ny voavela
 Heloka tokoa re,
 Fa Jesosy manome
 Fanavaozam-po sy lela,
 Hira fideram-baovao
 No ho re an-dalalanao.

[V3]
 O, ry Rainay be fitia,
 Mba ampio izahay,
 Tsy ho kivy, tsy hania
 Ao am-pandehananay,
 Fa handroso mba hankany
 Aminao an-danitra.
 Ry Andriamanitra,
 Be ny loza atý an-tany
 Fa ny ranomasonay
 Faohinao rahatrizay.</lyrics>
<hymn_number>27</hymn_number>
<author>C.E.F. Weyse</author>
</song>